Lany tsy nasiam-panovana araka izay nanoloran’ny governemanta azy ny 24 jolay 2013 teny anivon’ny fivoriana nitambaramben’ny Kongresin’ny tetezamita omaly, ilay volavolan-dalŕna 013/2013 manova sy mameno ny fepetra sasantsasny amin’ny lalŕna 2012-014 tamin’ny 30 jolay 2012 nananganana ny rantsam-pitsarana manokana CES.
Vao tsy nanomboka akory ny fivoriana dia efa nandeha ny resaka teny an-dalantsara fa tsy maintsy ho lany io volavolan-dalàna io satria ny maro an’isa voabaikon’ny teny midina no hanangan-tanana handany azy. Angoan-tenda niendrika fandanianandro no nataon’ireo CT nandray fitenenana satria ny an’ny mpomba ny filohan’ny tetezamita dia ny «lanio !», «lanio !» hatrany no ambetin-dresaka tsy misy farany ary ny an’ny mpanohatra kosa indrindra ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana na dia nampiaiky volana ireo namany tsy mitovy hevitra aminy aza ny fanazavana nentin’izy rehetra dia «rano nararaka an-damosin-gisa ireny». Nivoaka ny efitrano fivoriana tsy nifidy ity lalàna ity moa ny ankamaroan’izy ireo ary na ny filohan’ny Kongresy Mamy Rakotoarivelo aza tsy nitarika ity fivoriana ity fa ny filoha lefitra Andriantsizehena Benja Urbain no nisolo ny toerany.
Tokony ho natao didy hitsivolana ity lalàna ity, hoy ny CT Rakotomiandrisoa Jean Ernest avy any Antsirabe (Ankolafy Ravalomanana) nitarika ny fivoahana ny trano, fa izany no takian’ny GIC-M saingy niala andraikitra tsy ho te ho voasingotsingotra i Andry Rajoelina. Tsy te hatao saribakoly izahay, hoy izy, fa tsy izahay parlemantera voatendry aty indray no andeha hanasazy olona mpanao lalàna ambony toy ireo mpikambana amin’ny CES ireo. Misy zavatra tiana hatao ao ambadiky ny fampidirana mpanao politika maro an’isa ao anatin’ny CES Vaovao. Ny CT Randriamahefa Henri Charles (Adhem Fizafa Madagasikara) indray mahita fa ny zava-dehibe amin’io lalàna io dia ny fanatanterahana ny toromariky ny GIC-M.
Mba hisian’ny fitoniana sy fitokisana dia tsy maintsy nokitihana io CES io, hoy izy, fa io no hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy ary ny didy navoakany sy mbola havoakany dia tsy azo hivalozana. Ho an’ny CT Razanamino Lisiniaina indray dia resy lahatra fa vahaolana amin’ny fivoahantsika amin’ny krizy io fanovana ny rafitry ny CES io ka izay no tsy maintsy nandanian’ny vondrona parlemantera Notable, misy azy an’io volavolan-dalàna io, sady efa notakian’ny iraisam-pirenena koa izany mba ahazoana fankatoavana sy hirosoana amin’ny fifidianana.
Nangonin’i Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.