Politique

Kongresin’ny tetezamita Mitaky ny handrosoana ny famotsoran-keloka sy fampihavanam-pirenena


  • Talata 17 Janoary 2012

Lany teo anivon’ny fivoriana nitambarambe natrehan’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita omaly tolakandro ny volavola lahadinika natolotry ny birao maharitr’ity rafitra ity taorian’ny «Conférence des présidents» notontosaina ny marainan’ny alatsinainy 16 janoary, ho fanohizana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany natomboka tamin’ny 9 janoary teo.

 Hisongadina ao anatin’izany anio talata 17 janoary ny fandinihan’ny vaomieran’ny tontolo iainana ny volavolan-dalàna 017/2011 tamin’ny 21/12.2011 hanome alalana ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-pisamboram-bola eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny IDA (Association Internationale de Développement) mikasika ny famatsiam-bola fanampiny amin’ny tetikasa (PE III). Hanampy izay koa ny fandinihana ny volavolan-dalàna 018/2011 tamin’ny 21/12/2011 hanome alalana ny fanaovan-tsonia fifanaraham-pampisamboram-bola eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena mahakasika ny famatsiam-bola fanampiny amin’ny tohana fanatanterahana ny tetikasa (PE III) ihany.

Farany ny amin’ny anio dia ny fandinihan’ny kaomisiona telo miaraka (Varotra, Raharam-bahiny, vola sy tetibolam-panjakana) ny volavolan-dalàna 002/2012 tamin’ny 04/01/12 hanome alalana ny fanaovan-tsonia ny fifanarahan’i Cotonou nahitsy fanindroany araka ny fifanarahan’ny ACP sy ireo firenena ao amin’ny Vondrona Eoropeanina ny 22 jona 2010 tany Ouagadougou Burkina-Faso. Ny andron’ny alarobia 18 janoary maraina sy tolakandro moa no hitondrana ireo volavolan-dalàna 3 ireo ao anatin’ny fivoriana hitambarambe ka handanian’ireo CT azy. Marihina fa ny zoma ho avy izao no tapitra ny 12 andro voafaritry ny lalàna fa haharetan’ity fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny parlemanta tetezamita ity. Nandeha anefa ny resaka amin’ny fangatahana fivoriana tsy ara-potoana fanampiny satria efa maika amin’ny firosoana amin’ny fifidianana ny rehetra. Araka ny tsiliantsofina koa dia hodinihina amin’izay ny resaka famontsoran-keloka sy ny fampihavanam-pirenena.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT