Politique

Kongresin’ny tetezamita Misosa tsy misy mpanakana ny fandanian-dalŕna


  • Alarobia 09 Mey 2012

Misosa tsy misy mpanakana ny fandaniana ny volavolan-dalŕna aroso eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita ankehitriny.

 Omaly maraina izao dia lany tamin’ny tsangan-tanana nahatratra 209 ny volavolan-dalàna lah.005/2012 tamin’ny 22/02/12 hanomezan-dalana ny fanaovan-tsoniam-pifanarahana nasiam-panitsiana mikasika ny ASECNA (Agence pour la Sécurité de la Navigation Aérienne en Afrique et à Madagascar) nankatoavina tany Ouagadougou sy nosoniavina tany Libreville Gabon tamin’ny 28 aprily 2010 mba hanatsarana ny resaka fifamoivoizana ana habakabaka eto Madagasikara sy hahazoantsika mijanona ho mpikambana ao. Dia mbola lany koa ny tolakandro ilay volavolan-dalàna 006/2012 mifanaraka amin’ny fifanarahana nosoniavina tany Le Cap Afrika Atsimo ny 16 novambra 2011 mikasika ny fitaovana ana habakabaka sy ny fifanarahana mifandraika amin’ny fanomezana antoka iraisam-pirenena eo amin’ny antsoina hoe «matériels d’équipement mobiles».

Nambaran’Atoa Ramananandro Désiré solontenan’ny ASECNA eto Madagascar teny Tsimbazaza omaly, fa anisan’ny manana traikefa betsaka ny ASECNA amin’ny fiarovana ny sidina ana habakabaka tao anatin’izay 53 taona izay ka izao voafaritra tsara ny tena asany sy ny faritra tena arovany amin’ity fifanarahana ity ka izay no tombontsoa lehibe azontsika tamin’ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity.

Afa-po tamin’ny asa natao ny vaomieran’ny fitaterana sy famantarana ny toetr’andro eny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita tarihako, hoy ny filohany, Tiandraza René de Mon Espoir, fa lany ilay volavolan-dalàna ka ankehitriny dia voaaro tanteraka izany ny faritra habakabaka eto amintsika afaka fotoana fohy ary mbola afa-po koa ny CT rehetra satria na ny zavatra hafa tsy mikasika ity volavolan-dalàna ity aza dia voanontanin’izy ireo sy nahazoana valin-teny mahafa-po avokoa tamin’ireo teknisianina notarihan’ny minisitry ny fitaterana, Ramanantsoa Benjamina. Marihina fa ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, no nitarika ny fivoriana nitambarambe omaly teny Tsimbazaza ny maraina ary natolony ny filoha lefitra avy any Antsiranana izany avy eo fa hoe hamonjy fihaonana teny Ivandry izy ary ny tolakandro indray vao niverina tao amin’ny fivoriana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT