Nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny fananganana ilay vaomiera manokana hanadihady ny momba ny boaderozy eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita.
Omaly no tokony ho nanatanterahana azy io. Tsy tratra anefa ilay fetr’isa takian’ny lalàna. Vitsy dia vitsy mantsy ireo mpikambana CT tonga nivory teny Tsimbazaza, ka noho izany dia mihemotra ity fandaharam-potoana iray ity. Efa 300 mahery ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, kanefa raha ny omaly no nojerena dia tsy nisy afa-tsy 50 teo izy ireo no nivory. Tsara homarihana anefa fa ao anatin’ny fivoriana ara-potoana voalohany tanteraka ny Parlemanta amin’izao fotoana fa tsy hoe miala sasatra tsy akory. Ny CT avy amin’ny ankolafy Ravalomanana moa dia efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny tsy fanatrehan’izy ireo ny fivoriana mandra-pisian’ny fifanarahana mazava ifaneken’ny rehetra amin’ny fampiharana manontolo ny tondrozotra sy ny fiaraha-mitantana tena izy ny tetezamita. Fa ireo mpikambana CT avy amin’ny vondrona politika sasany kosa dia tsy tonga mivory tsotra izao.
Misy ihany ireo nahatonga taratasy fialan-tsiny, saingy mba mampieritreritra ihany raha mpikambana CT efa ho 200 no samy tsy manatrika fivoriana. Efa mampalaza ratsy ny solombavambahoaka eto amintsika moa ity tsy fanatrehana fivoriana ity ary tamin’ity tetezamita ity aza dia vao miha niha nahazo vahana izany rehefa tena dinihana isan’andro ny olona tonga eny amin’ny lapan’ny Kongresin’ny tetezamita eny Tsimbazaza. Tena zava-dehibe anefa ny zavatra saika nodinihana sy niadian-kevitra omaly, satria mahakasika ny raharaha boaderozy. Maro no mieritreritra fa efa any amin’ny fanomanana ny fifidianana sy izay hahavoafidy azy ireo no mahamaika ireo mpikambana CT sasany fa tsy ny fampandehanan-draharaha mandritra ny tetezamita. Hatramin’izao rahateo dia tsy mbola mazava ny fampiharana ny fisipika anatiny ho an’ireo mpikambana CT hita sy voaporofo fa tena mingitrika fotsiny tsy mety manatrika fivoriana dia mody mamorona aretina, na zavatra atao any ambadika any.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.