Politique

Kongresin’ny tetezamita Lany ny volavolan-dalŕna momba ny tetibola


  • Alakamisy 15 Desambra 2011

Taorian'ny nahalanian'ny lalŕna momba ny tetibola 2012 teny anivon'ny Kongresin'ny tetezamita dia nanao fanambarana niraisana ireo mpikambana sasantsasany teo anivon'ny vaomiera vonjimaika nisahana ny tetibola tao amin'ity andrim-panjakana ity nahitana ny UDR-C, TGV, PHAT (GMMR sy TIM Raharinaivo) fa afaka maneho ny heviny an-kalalahana ireo vondrona tsirairay.

 Henjana dia henjana ny adihevitra sy ny tsikera niseho nandritra ny famakiana ity volavolan-dalàna iray ity, noho ny nampidinana ny tetibola azon'ny rafitra mpanao lalàna ampiasaina, saingy tafita soa aman-tsara ihany izany tany amin'ny farany. Mpikambana 265 no tonga nivory io omaly io, ka ny 220 tamin'ireo no nandany ity volavolan-dalàna ity izay mbola hakarina any amin'ny Filankevitra ambonin'ny tetezamita hakana fankatoavana. Tsy nisy novaina ny voarakitra tao anatin'ity volavolan-dalàna ity raha ny fantatra afa-tsy fanamarihana vitsivitsy izay tsy dia manova zavatra loatra. Ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fitantanam-bola sy tetibola Rtoa Andriambololona Vonintsalama dia nanamarika, raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety omaly, fa fifandanjam-bola miditra sy mivoaka no hita ao anatin’ny tetibolam-panjakana ka raha misy kitihana ny singa iray ao anatin’ireo dia tsy maintsy misy hokitihana koa ny amin’ny ilany izay ka hampihetsika ny vinavina iray manontolo izay tsy azo tanterahina izany. Azo ambara fa fandaniana andro ihany raha ny marina ireo adihevitra natao tamin’ity volavolan-dalàna ity fa resin’ny tsangan-tanana sy ny tombontsoa ambonin’ny firenena.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT