Politique

Kongresin’ny tetezamita Haverina amin’ny toerany i Mamy Rakotoarivelo


  • Alatsinainy 05 Desambra 2011

Amin’ny fiandohan’ity herinandro ity no ho fantatra ny firafitry ny birao maharitra eo anivon’ireo parlemantan’ny tetezamita, dia ny CT sy ny CST izany.

 maintsy tafajoro mantsy izany vao afaka hiroso amin’ny tena asa amin’izay ireto olom-boatendry ireto, miaraka fidiana amin’izy ireo ihany koa ny filoham-baomiera isan-karazany. Farafahatarany amin’ny alarobia izao, raha araka ny fandaharam-potoana tamin’ny zoma lasa teo no ho vita izany karazam-pifidianana eny Tsimbazaza sy Anosikely izany. Araka ny tsiliantsofina re dia efa nisinisy ihany ny faran’ny herinandro teo ny fihaonana etsy sy eroa nataon’ireo mety ho kandida amin’ireo toerana ireo. Tsy maintsy atao ny fandresen-dahatra, satria na ahoana na ahoana filaza azy dia manana anjara toerana lehibe ao anatin’ny tetezamita izany hoe filohana andrim-panjakana izany. Tombantomban’ny mpanara-baovao noho ny zava-nitranga hatramin’izay no nandrenesana fa tsara toerana ho filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Atoa Mamy Rakotoarivelo izay mitarika ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana.

Nanaitra ny maro tokoa ny tsy nidirany tao amin’ny CST tahaka an-dry Manandafy Rakotonirina sy Naika Eliane, mitovitovy lenta politika aminy, fa nahitana azy kosa tao amin’ny CT. Tonga dia nazava araka ny fomba fiteny ny karatra teo, fa misy antony goavana matoa voatendry ho mpikambana CT ity mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ity, izy rahateo dia nanatrika ireo fihaonana rehetra teny Iavoloha mialoha ny nananganana ny parlemanta. Manampy izay, tsy azo adinoina fa efa neken’ny sehatra iraisam-pirenena ho filohan’ny CT taorian’ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba Atoa Mamy Rakotoarivelo ary efa nanao famindram-pahefana tamin’Itompokolahy Jacques Sylla mihitsy aza. Taorian’iny moa dia niha nafana ny toe-draharaha politika satria nifampihantsy ireo ankolafy ary samy manana ny fomba filazany. Voarohirohy tamin’ny fikasana hamono ny filohan’ny FAT ingahy Mamy Rakotoarivelo taorian’io ary efa notanana “violon” andro maromaro mihitsy.

Nangingina anefa ny raharaha Marais Masay taorian’izay ary dia tsy nisy resaka intsony mihitsy, ankehitriny dia miaka-dapa ity lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ity ary efa miha mazava ny raharaha fa izy no hisolo an-dRaharinaivo Andrianatoandro, ity farany izay voarohirohy tamin’ny resaka fanapoahana baomba koa tamin’ny 2009, saingy lasa filohan’ny Kongresy rehefa nifanaraka tamin’i Andry Rajoelina. Efa nisy ihany moa ny endri-pizarana miafina ny fitantanana ireo andrim-panjakana ka ny eny amin’ny CT no anjaran’ny ankolafy Ravalomanana koa inoana fa tsy dia hivoana amin’izay tombantombana izay ny zavatra hitranga ato anatin’ny 24 ora. Tsy hipetra-potsiny anefa ny Escopol sy ny Les AS izay feno mpanao politika kingalahy amin’ny adivarotra, eo koa ny HPM sy ny MDM ary ny Arema ka ho hita eo ny ho fipetraky ny raharaha, satria tsy manana ny maro an’isa ka hahamora ny latsa-bato ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT