Anio hariva no fotoana handanian’ny eny anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita an’ilay volavolan-dalàna 005/2012 mifandraika amin’ny resaka fifanarahan’ny Asecna efa lany teny anivon’ny CT farany teo.
Andrasan’ireo CT eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza kosa anio maraina ny tatitra hataon’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Omer Beriziky mikasika ireo asa vitany nandritra izay nahateo amin’io toerana io azy izay. Hitohy amin’ny tatitra hataon’ireo minisitra isan-tokony izany avy eo. Anio alakamisy tolakandro ihany dia ny minisitry ny fanabezam-pirenena no hisantatra izany harahin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa. Asa indray aloha na ho firy na ho firy ireo olom-boatendry ho tonga hamonjy fivoriana eny Tsimbazaza. Raha ny zava-nisy tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity nisian’ny fandaniana volavolan-dalàna teny an-toerana dia maro be ireo seza banga. Tsy mifanaraka mihitsy amin’ny isan’ireo avy amin’ny ankolafy Ravalomanana efa nanapa-kevitra ny tsy ho tonga hivory fa mihoatra lavitra noho izany. Ho tombontsoa ambonin’ny firenena ê !
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.