Politique

Kongresim-paritry ny TIM Tanterahina any Manakara anio


  • Alakamisy 03 Aogositra 2017

Tanterahina anio 3 aogositra ao Manakara ny Kongresim-paritra ny Antoko Tiako I Madagasikara ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany.

 

 Marihina fa nahazo alalana tamin’ny tompon’andraikitra any an-toerana izy io, ka tsy nisy ny sotasota politika toy ny nataon’ny fitondrana teto an-dRenivohitra. Efa vonona tanteraka ny vahoaka tsy tambo isaina any an-toerana satria efa hatry ny talata 1 aogositra ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana sy ny mpikambana ao amin’ny birao politika, toy ny kestora fahatelon’ny Antenimieram-pirenena Guy Rivo Randrianarisoa no tonga tany an-toerana. Nihazo ny Toby FLM Ankaramalaza niatrika ny fanokanana lehibe izy ireo omaly, ary hifantoka tanteraka amin’ity kongresim-paritra lehibe ity kosa anio. Tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-15 taona nijoroan’ny Tiako I Madagasikara ity kongresy kely ao Manakara ity. Horakora-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka azy teo am-pahatongavana ny talata lasa teo, ary efa saika mahafantatra ity kongresy ity avokoa ny any an-toerana. Saika izay toerana alehany rehetra rahateo, dia mankasitraka sy maneho amin’ny alalan’ny fihetsiny fa vononona hanohana sy mahatoky an’i Marc Ravalomanana avokoa fa izy aloha no hany olona efa hita fa nahavita be indrindra teto amin’ny firenena, ary mbola afaka hanarina indray an’i Madagasikara ao anatin’izao lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT