Mahoraka ao an-drenivohitra Anôsy fa hanatanteraka kongresim-paritra ao Tolagnaro ny antoko GMMR tarihin’i Yves Aimé Rakotoarisoa, ny 23 sy 24 martsa izao.
Anatin’ny fanomanana io fihaonana io ny ekipany any an-toerana. Ireo Zanak’i Dada tsy mbola namadika azy sy ireo azo tambatambazana amin’ny fanomezana kely no voalaza fa ezahin’ny ekipan’ingahy minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana teo aloha ity hosarihina amin’izany, fa hoe mbola manohana sy miara-dia amin’ny filoha Marc Ravalomanana ireo mpisava lalana ireo. Tsy dia fantatr’olona any Tolagnaro ny fisian’ity antoko GMMR ity.
Tsy sahy niseho masoandro ireo andriambavilanitra mpiaradia amin’ity antoko iray ity nandritra ny filaharana tamin’ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy 8 martsa teo, raha ny mifanohitra amin’izany ny hetsika nataon’ireo vehivavy Tiako I Madagasikara Zanak’i Dada. Rakotoarison Yves Aimé filohany rahateo tsy mba tazana any an-toerana raha tsy amin’io fotoan’ny kongresim-paritry ny GMMR Faritra Anôsy io angamba. Fihetsika anisan’ny itsikeran’ireo mpiara-dia aminy sy ireo namany teo aloha azy.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.