Noraisin’ny Filohan’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita, ny Jeneraly Rasolosoa Dolin nihaona taminy tao amin’ny lapan’Anosikely omaly ireo mpikambana ao amin’ny Komity mpanaramaso ny fampiharana ny tondrozotra izay notarihin’ny Dr Rasolondraibe Péri.
Fifanakalozana sy fifampizaran-kevitra momba ny fampiharana ny andininy faha-28 ao amin’ny tondrozotra no niompanan’ny dinika nandritra io fihaonana io mba hamerenana indray ny fifampidinihan’ny samy Malagasy. Nahatsapa mantsy ny roa tonta fa mitarazoka ny famahana ny olana ary hita fa efa tsy mahomby ny SADC ka tokony hirosoana ny Diniky ny samy Malagasy. Tsy te handray fanapahan-kevitra samy irery ny Komity mpanaramaso, ka hisy ny fihaonana amin’ireo vondron-kery rehetra misy eto amin’ny firenena. Nanamafy izany ny Jeneraly Rasolosoa Dolin, ary nanambara fa tsy afaka ny hiala amin’ny tondrozotra intsony ny Malagasy, satria efa lasa lalàna io. Ilaina hoy izy ny hirosoana amin’ny fanatanterahana antsakany sy andavany azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.