Politique

Komity mitaky ny demokrasia Mitaky ny famoahana ny lalam-pifidianana


  • Talata 14 Novambra 2017

Mizotra any amin’ny lalana sy fomba ratsy fanaony hatramin’izay ny fitondram-panjakana manoloana ny fandrirarirana ny famoahana ny lalàna mifehy ny fifidianana, raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny komity

mahana amin’ny tsy fampanjakana ny demokrasia mandritry ny fifidianana na ny CVDE, izay nampahafantarina tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina omaly moa ny fitsanganany. Toy ireo lalàna marobe nolaniana mantamanta teny anivon’ny antenimieram-pirenena sy antenimierandoholona tahaka ny sata na rijan-teny mifehy ny fifandraisana na code de communication, izay tsy nisy marimaritra iraisana tamin’ireo voakasika mivantana tamin’izany ihany izy ity, raha izao no fizotrany, hoy hatrany ny fanazavana. Mitaky tsy misy hatak’andro ny fitondram-panjakana ny famoahana io volavolan-dalàna io mialoha ny fandrosoana azy eo amin’ny filankevitry ny governemanta aloha, ary indrindra, mialoha ny hampandaniana azy ho lalàna eny anivon’ny antenimiera roa tonta, noho izany, ny CVDE ary maniry mba hifanaraka amin’izay nifanarahan’ny rehetra no ho voarakitra ao anatiny mba tsy hiverenan’ny krizy intsony.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT