Politique

Komity Miaro ny Fiainam-Bahoaka Mampaneno lakolosy ho fanairana


  • Alarobia 08 Aogositra 2012

Tsy hisy fitoniana sy filaminana eto amin’ny firenena, tsy hisy koa fihatsaran’ny fiainana sy ny fandrosoana izay efa nanomboka niainana nandritry ny fitondrana Ravalomanana kanefa tapaka tsy fidiny, raha tsy mody sy milatsaka hofidiana i Marc Ravalomanana, hoy ny Komity Miaro ny Fiainam-bahoaka na KMFB eto Analamanaga.

 Manoloana izany indrindra dia nanao antso avo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, toy ny SADC, ny Firenena Mikambana ny KMFB mba hitadiavana lalana ivoahana amin’ny krizy amin’ny alalan’ny fanerena amin’ny fomba rehetra ny hanatanterahana haingana ny andininy faha-16, 17, 18, 20 ao anatin’ny sori-dalana izay efa navadika ho lalàna. Manameloka ny paipaika rehetra tsy hahafahan’i Marc Ravalomanana hilatsaka hofidiana ihany koa ny KMFB satria midika ho fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy izany. 

Araka ny fanazavana dia misolotena ny vahoaka eny amin’ny Fokontany izay miara-miasa akaiky aminy ny KMFB izay mahita ny fahoriana mianjady amin’ny tokantrano Malagasy. Manoloana ireo rehetra ireo no nanoratan’ny KMFB taratasy ho an’ny SADC sy ny Firenena Mikambana hanairana azy ireo fa efa tena latsaka lalina tokoa ny firenena ka mila vahana izao krizy izao.
 
Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT