Politique

Komity Miaro ny Demokrasia Natao tohatra fiakarana


  • Alakamisy 12 Aprily 2012

Diso fanantenana tanteraka ny amin'ny zava-misy amin'izao fotoana ny KMD na Komity Miaro ny Demokrasia, tarihan'i Andry Raveloson izay nitolona teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey nanohana an'i Andry Rajoelina tamin'ny 2009.

 Tsy izao mihitsy no nifanarahana, hoy i Andry Raveloson fa fanovana ifotony. Ny hita sy tsapa anefa, araka ny nambarany dia ireo olona efa naloan'ny vahoaka sy niongana indray no tafiditra ao anatin'ny rafitra tetezamita, mahazo toerana sy voninahitra amin'izao fotoana. Ho an'ny KMD ihany koa dia tokony havoaka mazava ny lisitr'ireo izay mahazo ny famotsoran-keloka. Tsy mety ihany koa raha toa ka ireo mpikambana CT sy CST ankehitriny no handinika sy handany ny lalàna momba ny famotsoran-keloka, araka ny fihevitry ny KMD azy, fa tokony ho olom-boafidin'ny vahoaka mba tsy hisian'ny kiantranoantrano eo amin'ny samy mpanao politika. Mahatsiaro tena ho voailika ireo tena nitolona tamin'ny 2009 ireny, hoy ihany ny KMD miara-dia amin'i Andry Raveloson ary dia tena voafitaka mihitsy. Na izany aza anefa dia mbola miantso ny mpitondra tetezamita ihany, indrindra fa i Andry Rajoelina izy ireo mba tena hanatanteraka ny zavatra nitolomana sy nifanarahana. Raha fintinina izay rehetra izay dia mahatsiaro tena ho natao tohatra fiakarana, nakana ny fitondrana fotsiny izany ireo mpitolona mivondrona ao amin'ny KMD, ary tena tsy mankasitraka ny tetezamita iaraha-mitantana amin'izao endriny izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT