Nivoaka tamin'ny fahanginana ny Komity Miaro amin'ny Demokrasia rehefa elaela tsy hita sy tsy re.
Mangataka avy hatrany ny hialan'ny filoha Hery Rajaonarimampianina izy ireo noho ny fahoriana lalim-paka mianjady amin' ny vahoaka. 72 ora no omeny ny mpitondra ankehitriny, araka ny fanazavan'ny filohan'ny KMD omaly Raveloson Louis de Gonzague. Tsy ny praiminisitra loatra no olanay, hoy izy na hovaina na tsia fa ny lohany mihitsy no efa matsatso eto amin'ny firenena ka tokony hiala. Notsindrian-dRaveloson Louis de Gonzague moa fa roa taona sy tapany izao tsy hita izay zava-bitan'ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina. Ny fangalarana ataon'ny mpanolotsaina azy no betsaka sy malaza fa tsy misy mihitsy ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka. Nohamafisiny moa fa leo ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny fianakaviany ary ny mpanolotsainy ny vahoaka ka tokony hiala amin'izay izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.