Nanao ny tatitry ny asa vitan’izy ireo tao anatin’izay 2 volana nijoroany izay tetsy amin’ny foibeny etsy Antaninarenina omaly ilay rafitra voatokana hifantina ireo izay handrafitra ny komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM).
Eo ihany ny olana ara-pitaovana sy ara-bola fa ny navesatra, hoy izy ireo, dia ny nandray ireo tsikera momba ny asa natao na ny nitombona izany na tsia . Taorian’ny fikirakirana ny dosien’ireo nametraka izany ary dia navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly ny lisitr’ireo olona miisa 220 manerana ny faritra hanomboka hiatrika fifantenana anio. Araka izany dia olona 2 avy, ny 1 ho tompon-toerana ary ny 1 ho mpisolon-toerana, amin’ireo olona 10 isam-paritra hampahafantatra ny vina sy ny fahalalany ny ho andraikiny etsy amin’ny Antenimieran-doholona etsy Anosy manomboka anio maraina no ho tazonina farany ao anatin’ilay 44 handrafitra ny komitin’ny fampihavanana izay kasaina hivaly amin’ny herin’ny anio. Mpanao gazety toa an-dry Oliva Razaka sy Nary Ravonjy moa no isan’ireo hifantenana eto Analamanga. Ny mpanao gazety Zokiolona, Latimer Rangers kosa dia isan’ireo ho fantenina any Androy. Ao anatin’ireo ho fantenana any Analanjirofo, ny mpanao politika Mangalaza Eugene ary isan’ny anarana malaza eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena I Papisy Lalfine izay ho fantenanana ho solontenan’ny faritra atsinanana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.