Politique

Komitin’ny fampihavanam-pirenena Tsy misy anay io, hoy i Tabera Randriamanantsoa


  • Zoma 15 Septambra 2017

Olona tena manam-piniavana hampihavana tokoa ireo mpikambana ao amin’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CFM izay nahavita fianianana ny alarobia teo, hoy ny filohan’ny Antoko Kintana, Tabera Randriamanantsoa.

  Ny olana mipetraka anefa dia ny lalàm-panorenana eto amintsika mihitsy no tsy mifanaraka amin’ny fampihavanana kasaina hatao. Nahoana no izay voakasiky ny raharaha 2002 sy 2009 ihany no tafiditra ao anatiny ? Ny antony dia satria ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina no kendrena amin’io. Ny tiana hiaviana amin’ilay resaka “vérité et pardon” dia ny hilalaovana ny hoe Rajoelina nitondra vahoaka nihani-dapa ary Ravalomanana niaro ny lapa ka nampitifitra. Tokony hahazo famotsoran-keloka ve izy ireo ? Ny sary mety hitranga dia homena azy roalahy ireo ny famotsoran-keloka saingy tsy havela hilatsaka ho filoham-pirenena kosa. Nanamafy ny tenany fa tsy nandefa solontena ao amin’ny CFM ny CRN tarihiny, toy izany koa ny filoham-pirenena teo aloha, Zafy Albert, raha ny foto-kevitra nijoroana hatramin’ny nisian’ny ankolafin-kery Zafy Albert. Mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana izay niditra ao anaty CFM, hoy izy.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT