Noraisin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny talata teo ireo ben’ny tanàna miisa 40 avy any amin’ny faritry Sofia.
Nifantohan’ny lahadinika taorian’ny fitsidihana nataon’ny filoha tany Antsohihy farany teo ny tsy fandriampahalemana sy ny fahasahiranan’ireo mponina any an-toerana. Nampanantena indray ny filoha fa dia handray fepetra mifanandrify amin’izany fa nanentana ihany koa ny hiarovana ny tontolo iainana any amin’iny faritra iny, indrindra hanentana ireo mponina hiala amin’ny doro tanety. Fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpikamban’ny biraon’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CFM kosa, raha ny nambaran’ny filohany, Maka Alphonse, no anton’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny filoham-pirenena. Ilaina, hoy ity filoha ity, ny mampahafantatra ny andraikitry ny CFM mikasika ny fifidianana ho avy, indrindra ny fampihavanam-pirenena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.