Anisan’ny zava-dehibe eto amin’ny firenena ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna ny 27 novambra izao, hoy ny avy eo anivon’ny CFM na komitin’ny fampihavanana Malagasy.
Ho tompon’andraikitra akaiky vahoaka indrindra ireo, hoy ny filoha lefitra, Gerard Ramamimampionona. Anjaranay ny mametraka fitoniana ary antony hivorianay amin’io herinandro io ny hijerena izany mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Ny marimarina kokoa dia tanjona ny hametrahana ben’ny tanàna tena Malagasy, izany hoe, manaja ny soatoavina Malagasy. Mahalala tsara ny andraikitra sy adidiny hohajaina toy ny raiamandreny satria tena mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny sosialim-bahoaka sy eny ifotony. Toetra mijoro ho raiamandreny manaja ny soatoavina no tena tadiavina, hoy izy, mba tsy ho lasa tany lavitra andriana, indrindra, ireo any ambanivohitra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.