Politique

Komitin’ny Fanavotam-pirenena Nosamborina ny CT Razafindrakotohasimbola


  • Alatsinainy 04 Jona 2012

Niafara tamin’ny fisamborana ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT), Razafindrakotohasimbola (Hasina) ny hetsika voalohany niantsoan’ny Komitin’ny Fanavotam-pirenena olona ho eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny sabotsy 02 jona teo.

 Tany Toliara dia nosamborina ihany koa i Tambabelo Mandaso dit Marin, saingy efa navotsotra ny sabotsy alina ihany. Hatreto dia tsy misy fanambarana ofisialy ny tena antony nisamborana ka itazomana ny CT Razafindrakotohasimbola. Siosion-dresaka no ahenoana fa hoe nahitana fitaovana toy ny sorabaventy sy taratasy mitaky ny hamoahana am-ponja ilay teknisianin’ny onjampeo Free FM tao anatin’ny fiarany, rehefa nosavain’ny mpitandro filaminana, ankoatra ny vola. Fanosihosena ny hasin’ny parlemantera no nandraisan-dry Rasambozafy Cyrille ny zava-miseho izao, satria anatin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Parlemantera no mitranga izao fisamborana izao nefa tokony hisy fepetra tokony harahina raha miroso amin’izany ny mpitandro ny filaminana. Depioten’Amparafavola teo aloha Razafindrakotohasimbola.

Nivarotr’aina nanohana an’i Andry Rajoelina izy tamin’ny 2009. Mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita amin’izao fotoana ary anisan’ireo mafana fo ao anatin’ny tolona hisian’ny fahalalahana sy hampanjakana ny demoraksia miaraka amin’ny Komitin’ny Fanavotam-pirenena. Saika ireo niara-dia tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 rahateo ireo niverina an-dalambe nanomboka ny 19 mey 2012, rehefa nohetsehin’i Fidèle Razara Pierre sy Lalatiana Rakotondrazafy. Tazana teny Analakely tamin’ny sabotsy teo, ry Rajaonah Andrianjaka (Otrikafo), Rasahisetra Jean (Syndicat des fonctionnaires démocrates de Madagascar), Mamonjisoa Rivoniaina Isaac (Fikambanan'ny tanora sahy vonona) ... Nafana fo ary nivonona tamin’izay mety hitranga koa raha ny sabotsy teo i Laza Razafiarison (Avotra ho an'ny Firenena). Niakatra ny feo, indrindra rehefa nanao be fiavy nandraoka ny “mégaphone” ny Emmo-Reg, saingy tamin’ny ankapobeny anefa dia nilamina teny Analakely.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT