Politique

Komitin’ny fanavotam-pirenena Mitaona vahoaka ho eny Ambohijatovo anio


  • Alarobia 23 Mey 2012

Haneho hevitra ankamanjana ary mitaona ny vahoaka ho eny Ambohijatovo ny Komitin’ny fanavotam-pirenena amin’ity alarobia 23 mey 2012 ity.

 Tolona tsy miato io, raha tsy resy ny jadona, voahaja ny fahamarinana ary mipetraka ny demokrasia, ary araka ny fanazavan’ny komity. Ivondronan’ireo hery velona eto amin’ny firenena izay manohitra tanteraka ny jadona, tsy fahamarinana, tsy fisian’ny fahalalahana haneho hevitra, fahaovan’olom-bitsy ampihimamba ny harem-pirenena, tsy fisian’ny fandriampahalemana, fanaovana ampihimamba ny haino aman-jerim-panjakana, fampiasana ny mpitandro filaminana sy ny foloalindahy ho herim-pamoretana ny Komitin’ny fanavotam-pirenena, izay tarihin’ny Pr Paul Rajaonarivelo. Niseho masoandro voalohany ary nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotely Fanantenana Ampandrana ity komity ity omaly, nanambara ny antom-pisiany sy ity hetsika voalohany hiarahan’izy ireo manao manomboka anio ity, izay fanohizana ihany ny nataon’ireo mpanao gazety roa ao amin’ny radio Free FM, Fidèle Razara Pierre sy Lalatiana Rakotondrazafy, ny sabotsy 19 mey lasa teo. Ahitana fikambanana sy antoko mandrafitra ny ankolafy Ravalomanana, Zafy Albert, Monima ao amin’ity komity ity, izay hivelatra hatreny amin’ny Fokontany, Kaominina, Faritra, toeram-piasana, sendika, ny Komitin’ny fanavotam-pirenena.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT