Politique

Komitin'ny fanavotam-pirenena Afaka naneho hevitra malalaka


  • Alatsinainy 11 Jona 2012

Nilamina ny teny Analakely ny sabotsy 09 jona teo.

 Mba tsy nisy ny lakrimozena sy ny fifanenjehana teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana. Nanoloana ny tsangambaton'i Jean Ralaimongo no nifanome fotoana tamin'ireo mpiara-dia taminy ny Komitin'ny fanavotam-pirenena. Tazana teny an-toerana ry Rajaonah Andrianjaka (Otrikafo) sy ny profesora Paul Rajaonarivelo (Diniky ny samy Malagasy). Hita teny amin'ny manodidina ihany koa ny Emmo-Reg. Afaka nikabary ireo mpitarika. Tsy araka ny nieritreretana azy kosa anefa ny olona nanatrika ity fihaonana ity, ary raha ny fandinihan'ny mpanara-baovao politika azy dia mety ho io fahavitsian'ny olona io no nahatonga ny Emmo-Reg tsy nandrava ilay hetsika.

Asa na fifanandrifian-javatra ihany fa hatramin'ny tsy naha teto an-toerana ny jeneraly Richard Ravalomanana, dia tahaka ny tsy maika amin'ny fandravana hetsika an-dalambe, tsy nahazoana alalana intsony ny Emmo-Reg. Manohitra ny tsy rariny sy ny fanakanana ny fanehoan-kevitra malalaka moa ny Komitin'ny fanavotam-pirenena ary milaza ny hanohy hatrany ny hetsika. Mbola takiany hatrany koa ny fanokafana ny Kianjan'ny demokrasia eny Ambohijatovo. Kianin'izy ireo ihany koa ny fomba fitantanana ny tetezamita sy ny fanaparam-pahefana sy fangoronan-karena ataon'ny mpitondra sasany. Hatreto aloha dia tsy mbola nanatevin-daharana ity hetsika ity ny avy etsy amin'ny Magro, noho ny fahasamihafan'ny foto-kevitra ijoroana sy ny laharampahamehana amin'ny fitondrana ny tolona, na dia samy manakiana an'i Andry Rajoelina aza ny roa tonta. Nisy ihany moa ny andian'olona saika hanakorontana sy haka an-keriny ny mégaphone nikabarina teny Analakely tamin'io sabotsy io, saingy tsy nahovoka firy izy ireo.

Tazana teny Analakely ihany koa tamin'ny sabotsy ny solontenan'ny sendikan'ny mpiasam-panjakana sasany, saingy tsy mbola tonga teny ambongadiny kosa anefa ireo olona avy ao amin'ireo karazana sendika manana fitakiana amin'izao fotoana. Nanome toky moa ireo mpitarika fa hihamafy hatrany ny fanentanana sy ny fiakiana ary ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena tsirairay, mahatsiaro ny zavatra tsy mety eto, mba hanatevin-daharana ity hetsika ho fanavotana ny firenena ity. Ny tsapan'ny mpitazana teny Analakely sy ny manodidina anefa dia somary miha mangatsiaka, nanaraka ny toetr'andro ny hetsika, tato anatin'ny roa herinandro izao.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT