Politique

Komitin’ny fampihavanana Malagasy “Tsy tokony ho ireo nanao sonia ny tondrozotra”, hoy ny Dr Hery Raharisaina


  • Zoma 20 Aprily 2012

Elaela tsy heno tamin’ny fanehoan-kevitra politika ny Dr Hery Raharisaina. Nangina tanteraka mihitsy moa izy hatramin’ny tsy naha minisitra azy intsony.

 Ankehitriny dia mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST ny tenany amin’ny anaran’ny GMMR (Groupement issu de la Mouvance Marc Ravalomanana) izay izy no filoha lefitra, manana ny heviny momba ny fananganana ilay Komitin’ny fampihavanana Malagasy, tokony hatsangana ato ho ato ny tenany, ary manan-kambara ihany koa mikasika ny ankolafy Ravalomanana.

Tsy mpanao politika - Raha ny hevitry ny Dr Hery Raharisaina dia tsy mety loatra raha toa ka mpanao politika avy amin’ireo vondrona nanasonia ny tondrozotra no hotendrena ho mpikambana ao amin’ny CFM, na ny Komitin’ny fampihavanana Malagasy. Ny antony dia satria mety hibahan-toerana ao indray ny adilahy sy ny kajikajy politika. Mihevitra ny Dr Hery Raharisaina fa maro be ny olona manana fahaizana sy traikefa afaka miditra ao amin’io CFM io, anisan’izany ireo mpitsara, na mpahay lalàna Malagasy, izay efa nisy nanelanelana tany amin’ireo firenena afrikanina sasany, koa noho izany manana fahaiza-manao feno amin’ny resaka famotsoran-keloka sy fampihavanana. Tokony ho olona mahalala tsara ny dingana rehetra amin’ny fampihavanana no mitazona andraikitra ao, araka ny heviny ihany, fa tsy sanatria ny mpanao politika indray no hidongy seza ao.

Tsy lôjika – Mialoha ny naha GMMR azy moa dia anisan’ireo mpitarika mafana fo teny amin’ny Magro no sady mpikambana feno tao amin’ny ankolafy Ravalomanana ny Dr Hery Raharisaina. Manana ny fomba fijeriny ny fihetsik’ity ankolafy ity ihany koa arak’izany ny tenany. Mahita ary izy fa hafahafa be ihany ny fihetsiky ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana, eto an-toerana. “Tsy manaraka lôjika ny zavatra teneniny sy ataony”, hoy i Hery Raharisaina.

Mamerina kely ny zava-niseho izy ary nampatsiahy fa tamin’ny volana febroary 2012 dia nilaza ireo mpitarika ao amin’ny ankolafy Ravalomanana fa mila atao haingana ny fandaniana ny famotsoran-keloka, avy eo hoe nilaza indray izy ireo fa tsy mila famotsoran-keloka izany ny filoha Ravalomanana. Rehefa tonga teny amin’ny Parlemanta anefa ilay volavolan-dalàna dia nanambara indray ity ankolafy ity, fa tsy azo ekena ilay famotsoran-keloka satria manilikilika. Tsy mazava mihitsy ny tian’ity ankolafy ity hahatongavana, ary hafahafa be ihany ny fihetsik’ireo mpitarika azy, hoy i Hery Raharisaina. Afaka nandray anjara tsara tamin’ny adihevitra momba io famotsoran-keloka io ry zareo tany amin’ny Parlemanta ary nanao izay hahatafita ny heviny, hoy izy. Ankoatr’izay dia manana minisitra ao amin’ny governemanta ny ankolafy Ravalomanana, ka nahoana no tsy niady mafy, tsy nisy nitsipaka ny fandaniana ny famotsoran-keloka nandritra ny filankevitry ny governamanta sy minisitra, hoy i Hery Raharisaina namarana ny fanazavany.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT