Kolonely Raymond

> Tsy azo avoaka ny fonja indray


  • Talata 06 Aogositra 2013

Tratry ny omeko tsy omeko ireo manamboninahitra sasany nahazo famotsoran-keloka na amnistia tamin’ny heriny.

 

 

 

Efa-dahy no voakasik’io, raha nisy 27 izy ireo, izay voarohirohy tamin’ny raharaha FIGN sy BANI, no nahazo amnistia tamin’io andiany io. Araka ny fanazavan’ny lehiben'ny fampanoavana ambaratonga ambony, Rakotonavalona Ranary Robertson, omaly dia tratry ny atao hoe : PIL (Pourvoi dans l’intérêt de la loi), izay raha tsorina dia misakana ny fampiharana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana izy ity. Voakasik’io ny kolonely Andrianjafy Raymond (FIGN), GP2C Fikisy Lydie (FIGN/7 ferboary), kolonely Andriamihoatra (BANI) ary ny jeneraly Raoelina Jean Heriniaina (BANI/7 ferboary). Nanamafy ingahy Rakotonavalona Ranary Robertson fa misy io PIL ary dia mihantona avy hatrany ny fampiharana ny didy manafaka ireo manamboninahitra ireo, izany hoe : tsy azo avoaka ny fonja izy ireo.

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT