Feno 42 taona katroka anio sabotsy 11 febroary ny nahafaty ny kolonely Richard Ratsimandrava, filoham-pirenena nitondra an'i Madagasikara tao anatin'ny fotoana fohy indrindra.
Raha tsiahivina, nandray ny fahefana izy ny 5 febroary 1975 ary ny 11 febroary dia nisy nifofo teny Ambohijatovo ny ainy, araka ny fampitam-baovao ofisialy. Nahatadidiavan'ny maro azy, raha vantany vao nandray ny fahefana ilay teny hoe "Tsy hiamboho adidy aho mon général" fony nanolotra ny fahefana taminy hitondra ny tany sy ny fanjakana ny jeneraly Gabriel Ramanantsoa. Mpitondra anisan'ny mamim-bahoaka indrindra teto Madagasikara i Richard Ratsimandrava. Mbola fony minisitry atitany izy no efa niavaka teo amin'ny fomba fiasa sy ny fomba fiaina, izay akaiky sy tsy nanisy elanelanelana fa nitakosina tanteraka tamin'ny vahoaka. Novoizina ny rafitra "fokonolona", izay manome vahana ny besinimaro amin'ny rafi-pitantanana teto amin'ny firenena, ary io no rafitra saika hapetrany raha vantany vao nadray ny toeran'ny filoham-pirenena izy. Misitery mandrak'ankehitriny ny fahafatesan'ity filoha nanana ny nampiavaka azy sy fantatra tamin'ny fivoizana ny rafitra "fokonolona" teto Madagasikara ity. Efa tsy azo kitihina intsony rahateo ny dosie rehetra mikasika izany noho izy efa naharitra 40 taona, ka nitsahatra tanteraka ny fanadihadiana, fa mivalona ho tantara sisa ny famoanoana ity filoham-pirenena Malagasy fahiny ity. Maro ny lesona sy ny tarigetra azo tsoahina amin'ny fomba fiasa sy fomba fiainany ary azo ampiharina amin'ny fitantanana ny firenena ankehitriny. Tsy tokony ho very maina ny fitiavan-tanindrazana nasehony fa azon'ireo mpitondra eto amintsika, izay samy milaza ho tia tanindrazana avokoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.