Politique

Kolonely “malaza” Very ordinatera mirakitra tsiambaratelo koa


  • Alatsinainy 16 Aprily 2012

Tantara mitohy ny mikasika ilay kolonely “malaza” nisy nanendaka tao Toamasina ny alatsinain’ny paska teo.

 Raha efa nisy olona telo nosamborina ka nampidirina am-ponja vonjimaika ny faran’ny herinandro teo, sy efa hita ny basy PA an’ity kolonely “malaza” ity, dia fantatra indray izao fa mbola karohina fatratra ny solosaina entin-tanana (laptop), azy manokana, very tao amin’ny bungalow nitoerany tao Mangarano ny alatsinain’ny paska. Sahiran-tsaina ity kolonely ity mikasika io solosainany very io, satria maro ny tsiambaratelo raketiny. Tantara mbola ho lava izy ity. Ny vaovao koa mivoaka tsikelikely noho ny fahasarotana amin’ny fanangonana azy. Araka ny fantatra dia efa andro maromaro no naha tao Toamasina an’ity kolonely “malaza” ity. Ho hita miandalana eo, araka izany, ny tena anton-diany tao Toamasina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT