Natao nangingina, tsy natrehin’ny voampanga sy ny mpisolovava na ny fianakaviana ny famoahana ny didim-pitsarana mikasika ny kolonely Lylison, tetsy amin’ny fitsarana Anosy, efitrano faharoa omaly talata 14 febroary 2017.
Sazy mihatra 1 taona an-tranomaizina no setrin’iny raharaha iny ary narahana didy fampisamborana avy hatrany. Fanontaniana mipetraka voalohany momba ny raharaha kolonely Lylison ny hoe ho vitan’ny HVM amin’izay ve ny tena hisambotra an’ity manamboninahitra malaza sy mahery fihetsika, ary tompon’antoka tamin’ny raharaha fanoganam-panjakana tamin’ny taona 2009 ity ?
Resaka politika ve ?
Tsy fantatra mazava ny tena mpitory fa ilay fiantsoana olona hanao tanàna maty an’Antananarivo ny 25 mey 2016 kosa no vesatra hanenjehana azy. Tsy fantatra mazava intsony ny lalàna mihatra eto satria raha ny lojika aloha hatreto dia mbola manana zo tsy azo enjehina izy ary tsy mitombina ny famoahana didim-pitsarana manameloka azy higadra an-tranomaizina. Ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) rahateo tsy mbola namoaka ny heviny mikasika ity loholona ity na dia efa nisy aza ny fangatahana nataon’ny eo anivon’ny biraon'ny antenimierandoholona. Vao tsy ela akory izay fa ny 1 febroary no voalaza fa nahavita ny fanambaram-pananany teny amin’ny HCC Ambohidahy ity loholona ity. Noraisina tsara ny antontan-taratasiny, izay azo adika fa mbola manan-kery ny anarana maha loholon’i Madagasikara azy. Nialoha ny famoahana io didy io dia efa nisy ihany koa ny fitondrana tovolahy miisa 3 voalaza fa iraky ny kolonely Lylison nanao barazy teny Ambohipo, ka nangataka fahafahana vonjimaika izy ireo fa tsy nahazo raha ny vaovao voaray. Tsy afa-misaraka amin’ny resaka politika izao toe-javatra izao. Mety hisy hifandraisany amin’ny fanambarana nataon’i Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro teo ve ity fitsarana tampoka sy mangingina ity ? Efa hita ihany mantsy ny paikady fanalemena tsimoramora ny vondrona Mapar ataon'ny fitondrana HVM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.