Nidina vao maraina teny Ambohipo misy ny toeram-ponenan’ny kolonely Lylison ny mpitandro filaminana omaly tokony ho tamin’ny 5 ora.
Nisy ny fisavana natao. Nisy ve ny loharanom-baovao nilaza fa tao an-toerana izy ka izay no nampirohotra ny mpitandro ny filaminana teny sa zavatra hafa mihitsy no nokarohina ? Efa am-bolana maro no nanenjehana ity loholona sady manamboninahitra ity noho ny fanambarana nataony ny hanaovana tanàna maty an’Antananarivo tamin’ny 25 mey lasa teo. Ny mahagaga dia efa maro ireo mpanao politika nilaza tsy nisy fihambahambana ny hanongana izao fitondrana izao saingy tsy nisy nosamborina na iray aza. Tsy vitsy koa ny loharanom-baovao milaza fa mipetraka amina masoivoho vahiny iray eto ny Kolonely Lylison, saingy tsy sahin’ny fanjakana ny miditra an-tsehatra misambotra azy. Tsy mahataitra ny fanjakana intsony ny mahita ireo mpanao politika mimenomenona etsy sy eroa, izay toa mora tambazam-bola na rahonana hangina dia milamina. Matahotra mafy kosa ny mpitondra amin’ny fihetsiky ny manamboninahitra sy ny tafika, toa an-dry kolonely Lylison ka enjehina mafy tsy hifandray tendro amin’ny namany sao mivadika zavatra hafa. Efa mandeha rahateo ny resaka amin’izao fotoana izao fa tsy faly amin’ny antsojay atao aminy ireo naman’ity manamboninahitra ity maro be ka efa mikononkonon-javatra any ho any.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.