Politique

Kolonely Lylison “Tsy matahotra ny jeneraly Florens aho”


  • Alarobia 30 Martsa 2016

Vaky ny ady eo amin’ny loholona Lylison sy ny jeneraly Rakotomahanina Florens lehiben’ny CIRGN Antananarivo. Tantara hitohy…

 

Nirefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso omaly nanaparitahana ireo olona nilahatra teny Antanimora. Nitanjozotra an-tongotra nihazo ny fasan’ny maherifo teny Avaratr’Ambohitsaina ny loholona Lylison sy ireo mpiara-dia aminy niankanjo fotsy, izy izay tsiahivina fa manamboninahitra kolonely ao amin’ny zandarimariam-pirenena mba hanome voninahitra ny maherifo rehefa avy teny Ambohijatovo. Ho fandravana io diabe notarihan’ny senatera Lylison io no antony nanapoahana ireo baomba mandatsa-dranomaso teny Antanimora ka nisy ny latsaka tany an-tranon’olona, nisy ny nanimba ny fiarakaretsaka teny an-tsisin-dalana. Ny fiaran’ny senatera ihany koa moa dia vaky ny fitaratra ary ambarany fa tokony handray andraikitra hanolo izany ny Emmo reg. Saika tsy nomena alalana ny hametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny Mausolée moa ity loholona ity saingy nony farany dia navela ihany rehefa nahavita ny azy ny filoham-pirenena. « Tsy nanara-dalàna ianao mon général Florens fa fanamparam-pahefana no nataonao. Tsy hadinoko ny nataonao ary tsy matahotra anao aho raha resaka combat fa ataovy mitovy ny element eo am-pelatanana. Tsy hanaiky ny fanaovana gaboraraka ny harem-pirenena isika ary hiady isika », hoy ny loholona Lylison omaly. Lasa fifandonana mivantana eo amin’ny Loholona Lylison sy ny jeneraly Rakotomahanina Florens ity raharaha ity. Anao ny fahefana androany fa ataovy izao ataonao izao fa mety tsy ho zakanao io raha averiko aminao rahampitso, hoy ny loholona Lylison namarana ny teniny. Raha nanontanian’ny mpanao gazety moa ny jeneraly Florens dia nilaza fa manao ny asany ny mpitandro filaminana, nisy ny fanembantsembanana ny fifamoivoizana nihazo ny Mausolée ka tsy maintsy nanaparitaka ny olona izahay, hoy izy.


Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT