Nanao fanambarana tao amina fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra ny kolonely eo anivon’ny zandarimariam-pirenena Lylison de Roland René ny talata teo fa nampandany ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina tany Sofia izy, tamin’ny 2013.
Nirotsaka hofidiana ho Loholona tamin’ny anaran’ny MAPAR (Miaraka amin’ny prezida Andry Rajoelina) moa ity manamboninahitra zandary ity ary voafidy tamin’ny fifidianana natao tamin’ny 29 desambra 2015. Nilaza i kolonely Lylison de Roland René taorian’izao nahavoafidy azy izao fa malalaka amin’ny fanehoan-kevitra izy ankehitriny satria efa nanao “disponibilité”, nisintaka amin’ny maha miaramila azy. Ka eo no mipetraka ny fanontaniana hoe fanahy iniana sa nijabaka i kolonely Lylison de Roland René tamin’io nilazany fa nampandany ny filoha Rajaonarimampianina izy tamin’ny 2013, fotoana izay mbola naha talen’ny FIS (Force d’intervention spéciale) azy, izay vondron-tafika manokana niankina tamin’ny fiadidiana ny tetezamita tamin’izany, andraikitra tsy mamela azy hirotsaka mivantana amin’ny raharaha politika ?
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.