Nosy kely miisa roa nanorenana « bungalow » sy trano fisakafoana ary « piscine » mirefy hatrany amin’ny 40 m.
Ampahany amin’ny harembe voangon’ny senatera Lylison de Rolland Urbain ireo, nandritra iny fitondrana Tetezamita iny fony mbola lehiben’ny FIS (Force d’Intervention Spéciale). Anisan’ireo tompon’andraikitra lasa mpanefoefo nandritra iny fitondrana HAT iny, ankoatra ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina ihany koa mantsy ny kolonely Lylison. Ireto miliardera tampoka nandritra ny Tetezamita ireto indray anefa no be resaka ho mpiahy ny vahoaka madinika sy ny amin’ny fiarovana ny harem-pirenena sy ny volam-bahoaka.
Ampahany amin’ny harem-be azon’ny kolonely Lylison ity « complexe hôtelier » ao Andakomena, Kaominina Andovoranto-Brickaville hita amin’ny sary ity. Ankoatra izay dia mpanondrana drakaka miaraka amin’ny kandidà tsy lany Véronique Rajerison ihany koa ny tenany. Naaton’ny fanjakana moa ny fanondranana drakaka mankany ivelany satria maro ireo tsy manaraka ny fepetra takiana amin’izany. Marihana moa fa miisa folo ireo orinasa mpanondrana drakaka ireo no naaton’ny fanjakana ka teratany Sinoa ny valo.
Mitonona ho mpiaro ny harem-pirenena sy ny vahoaka madinika isaka ny mandray fitenenana ny senatera Lylison. Apetraka aminy ankehitriny ny fanontaniana, ny amin’ny fiavian’ireto harem-be eo am-pelatanany azony ireto. Tsy avy tamin’ny harem-pirenena ? Nanambara ihany koa ny tenany, raha nivahiny tamina fandaharana adihevitra tamin’ny fahitalavitra ny faran’ny herinandro teo, fa nandany vola be ana miliara nandritra ny fampielezan-kevitra fifidianana filoham-pirenena. Avy taiza daholo izany vola be izany ?
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.