Namoahan’ny fanjakana didy fandrarana tsy hivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara (IST) ihany koa ny kolonely Faustin Andriambahoaka,
filohan’ny filankevitra Monisipaly teo aloha tao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ary mbola voafidy ho mpikamban’io rafitra io tamin’ny fifidianana monisipaly farany teo. Re fa raha saika handeha ho any ivelany hitsidika ny zanany izy no tsy afa-niala teto. Misy ny resaka tsy ofisialy milaza fa voasaringotra amin’ny raharaha 3 miliara ariary nampidoboka am-ponja vonjimaika ny “Trésorier Municipal” teo aloha teo anivon’ny kaominina ny tenany. Andrasana anefa izay tena marina, fa raha ny mpitam-bolan’ny kaominina Antananarivo, dia mpiasan’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola fa tsy toerana politika. Nialoha ity IST ity, dia efa namoahan’ny fanjakana izany ihany koa ny Tale jeneralin’ny CNaPS teo aloha izay efa lasa filohan’ny Federasionin’ny baolina kitra ankehitriny Atoa Arizaka Rabekoto Raoul, izay efa nampiakatra ny raharaha any amin’ny Filankevi-panjakana noho ny fahatsapana tsindry sy fanararaotana avy amin’ny fanjakana amin’ny fandrarana azy. Mpitsara ambony moa i Arizaka Rabekoto Raoul no lasa Tale jeneranilin’ny CNaPS sy filohan’ny FMF. Efa namoahana IST ihany koa i Ny Rado Rafalimanana izay omaly no nampanantsoin’ny polisim-pirenena. Efa tratran’izay ihany koa i Briand Andrianirina sy Onitiana Realy vadiny, izay minisitra tamin’ny andron’ny HVM. Hentitra ny fanjakana ankehitriny amin’ny fanenjehana ireo mpanao politika mpifanandrina heveriny fa manana dosie maloto, ka misy mihitsy ny any am-ponja tahaka an-dry Mbola Rajaonah. Zava-dehibe ny finiavana hampihatra ny tany tan-dalàna satria tsy misy ambonin’ny lalàna eto. Tena tsy misy ambadika politika ve anefa ? Tena madio mangatsakatsaka ve avokoa ve ny olon’ny fitondrana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.