Politique

Kolonely Coutiti sy ny FEDeP Namingavinga an-dRavalomanana


  • Talata 16 Febroary 2016

Ny faran’ny herinandro teo, tonga tany Toliara ry Kolonely Coutiti sy ny mpikambana avy ao amin’ny FEDeP nasionaly nametraka ny biraon’ny sampan’ny fikambanan’ireo gadra politika any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.

 

  Ny sabotsy maraina teo dia namory ireo rehetra voarohirohy sy nianjadian’ny herisetra sy ireo nigadra nandritra ireny krizy politika teto amin’ny nosy ireny, ny FEDeP, izay mitady onitra sy fanampiana miainga avy amin’ilay tondrozotra. Niroso tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety avy eo, taorian’ny nanolorana an’ireo biraom-paritany misahana ity fikambanana ity any amin’ny faritany Toliara. Nivoitra tamin’izany, fa “ ny honerana aloha ny simba sy fanampiana vao hiditra amin’ny fampihavanam-pirenena “.

Mpikarama an’ady politika

Nanazava ny antony nananganana ny FEDeP, izay miainga amin’ny fifamelan-keloka, fampihavanana ary fifankatiavana ny Kly Coutiti. Anisan’ny nanaitra ka nahatezitra ny rehetra niatrika tao anefa ny fanaratsiana sy ny fanimbazimbana ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana, raha ny fanehoan-kevitra re dia mbola tsylevon’ny vavonin’i Coutiti hatramin’izao ny nigadrany nandritra ny fitondrana Ravalomanana.Tsara ho marihana anefa fa noho ny fampijaliana sy fampiorohoroana olona tany avaratry ny nosy tamin’ny 2001-2002 no antony nanagadrana azy; talanjona ireo nanatrika ny valan-dresaka hoe fampihavanana no voizina kanefa famingavingan’olona mifono valifaty no tenenina. Tsy faly ihany koa ireo gadra politika niatrika, fa isaky ny miteny ireo mpitarika dia ny fanohanana ny fitondrana amin’izao no atao litania, ka betsaka no sorena nivoaka ny trano ary namonjy fodiana, sady nilaza fa mpikarama an’ady hiaro ny sezan’ny mpitondra fotsiny ireo, fa tsy hijery na hiady ny tombontsoan’ny gadra politika akory. Araka ny loharanom-baovao iray dia maro amin’ireo gadra politika ao Toliara no diso fanantenana ary tsy mankasitraka intsony ny fitondrana misy amin’izao fotoana.


Eric R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT