Politique

Kolonely Charles Voatery nanapahana ny tsinainy


  • Alakamisy 15 Desambra 2011

Nandeha tamin’ny minitra sy segaondra ny fitantanana ny fahasalamana, indrindra ny ain’ny Lt-Kolonely Charles Andrianasoavina omaly alarobia 14 desambra.

 Nihombo mantsy ny aretiny ary voatery nafindra faran’izay haingana tao amin’ny HJRA Ampefiloha izy, omaly misandratr’andro taorian’ny fandraisana an-tanana azy tao Befelatanana rehefa tsy voafehin’ny tany Tsiafahy intsony ny fitsaboana azy. Olona efa reraka sy tsy nahatsiaro saina no tonga tao amin’ny HJRA io omaly io, ary dia nisy zavatra hafahafa nivoaka taminy, ny sasany tamin’ny vava ary tsy maintsy nilana fandidiana maika. Raha ny fahitan’ny mpitsabo ireo famantarana hita maso toy ny kibo nibontsina sy ny faroratra nivoaka tamin’ny vavany mantsy dia tany amin’ny fitaovam-pandevonan-kaniny no tombanan’izy ireo ho misy olana. Ny tolakandro ihany dia natao ny fandidiana azy rehefa tsara era tamin’ny fianakaviana. Naharitra ora roa teo izany, nifandrimbonan’ireo profesora tao amin’ity hopitalim-panjakana ity, nisy koa iraka avy eny amin’ny HOMI nanara-maso ny zava-mitranga (?). Naverina ao amin’ny efitra fameloman’aina izy taorian’izay. Nijanona ho tsiambaratelon’ireo mpandidy ny zava-nanjo an’ity ofisie miaramila nivoaka tamin’ny andiny faha-19 ity. Fa ny heno tamin’ny fianakaviana akaiky ny Lt-Kolonely Charles dia ny hoe “nanapahana ny tsinainy”.

Niteraka resabe teo anivon’ny tontolo politika sy teo anivon’ny tafika ity fahavoazan’ny Lt-Kolonely Charles ity. Araka ny fantatra mantsy, mbola nisy baiko midina saika hamerenana azy tany Tsiafahy omaly, ny tany Tsiafahy izay niharan’ny tsindry tamin’ny nanomezana alalana handefasana ity ofisie ity hotsaboina tao Befelatanana. Noheverin’ny mpitondra mantsy fa tetiky ny mpanohitra hamoahana ireo gadra politika ity raharaha ity. Rehefa nivoaka ny teny fa tsy maintsy mandalo fandidiana maika ny kly Charles hanavotana azy vao nikoropaka ny FAT fa tena izy ity fa tsy sarinady. Araka ny fantatra rahateo dia efa folo andro no tratry ny tsy fahasalamana tany am-ponja ity zanak’i Manakara ity, ary nihombo andro aman’alina ny aretiny. Nisy ny fiaraha-mientana teo anivon’ny CST omaly, nanao latsakemboka hanampiana azy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT