Niala tamin’ny fahanginany ny Kolonely Charles Andrianasoavina, iray tamin’ireo mpitantana ny FIS (Force d’Intervention Spéciale),
izay vondron-tafika manokana noforonina tamin’ny andron’ny tetezamita, ary niankina tao amin’ny fiadidiana ny tetezamita. Nanao fanehoan-kevitra tamin’ny radio tsy miankina iray teto an-drenivohitra izy, omaly.
Taratra tao anatin’io fanehoan-kevitr’ity manamboninahitra eo anivon’ny tafika malagasy ity ny tsy fifankahazoana eo aminy sy ireo mpitarika ny tetezamita, manomboka amin’i Andry Rajoelina sy ireo lohandohany niara-dia akaiky taminy. Tsy mbola levon’ny vavonin’i Kolonely Charles Andrianasoavina ny nampidirana am-ponja azy tany Tsiafahy taorian’ny raharaha BANI ny 17 novambra 2010, ary namparary mafy saika namoizany aina raha tsy voavonjy nalefa notsaboina tatsy amin’ny nosy La Réunion.
Janoary 2015, Hery Rajaonarimampianina tonga eo amin’ny fitondrana vao niverina an-tanindrazana i Kolonely Charles Andrianasoavina. Izay koa no heverina fa iarovany ny filoha am-perinasa tao anatin’io fanehoan-keviny io.
Nohamafisin’i Kolonely Charles Andrianasoavina fa “filoha lanim-bahoaka ara-pomba demokratika” i Hery Rajaonarimampianina. Tetsy an-kilany dia novakiany bantsilana fa i “Andry Nirina Rajoelina no nivadika, ary ny tetezamita no tena nivadika voalohany fa tsy ny filoha Rajaonarimampianina”. Nampiany koa fa “nitsoaka nandositra” i Andry Rajoelina nialohan'ny 8 martsa 2009, fa izy, araka ny nambarany no namerina azy hitarika vahoaka.
Nihamboan’ity mpiara-mitantana ny FIS taloha ity mihitsy moa fa tsy teraka ny MAPAR raha tsy ny tenany ary tsy fantatra izany Camille Vital, Christine Razanamahasoa izay lasa solombavambahoakan’Ambatofinandrahana ankehitriny, ary kolonely Lylison de Rolland Urbain, izay voafidy ho Loholona, izany, raha tsy izy.
Mikasika ny taratasy fisamborana ny Loholona Lylison navoakan’ny Fitsarana, dia mihevitra i Kolonely Charles Andrianasoavina fa “raha mety amin'ny fanjakana dia tokony hosamborina izy, raha tsy tokony dia tsy samborina”.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.