Tsy nipetra-potsiny fa naneho ny alahelony tamin'ny nanjo ny havany ny fianakavian'ny lietnà-kolonely Charles, izay zanaky ny faritanin'i Fianarantsoa.
Takian'izy ireo ny hananganana vaomiera parlemantera hanao ny fanadihadiana marina mikasika ny nahatonga ny aretiny, izay nitarika ny fandidiana azy in-droa niantoana. Nanao antso avo ihany koa izy ireo amin'ny tafika Malagasy, indrindra ny andiany indray mihira niaraka tamin'ny kolonely mba handray ny andraikiny manoloana ny zavatra natao tamin'ny naman'izy ireo. Niantefan'ny antso ihany koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny fikambanana samihafa miaro ny zon'olombelona mba hijery akaiky ny zava-misy eo anivon'ny fandraharahana ny fonja sy ny ministeran'ny fitsarana. Toy izany koa ny an'ireo sendikan'ny mpandraharaha ny fonja. Samy niantefan'ny antson'izy ireo avokoa ny rehetra na ireo raiamandreny avy amin'ny foko 18 eto Madagasikara na ny tomponandraikitra rehetra tsy ankanavaka mba samy hitondra ny anjara birikiny amin'ny fikarohana ny marina rehetra momba ity raharaha ity.
Fa niantefan'ny kiana sy ny tsy hafalian'ireto fianakaviana kosa ny minisitry ny fitsarana izay voalazan'izy ireo fa manampatra fahefana amin'ny fitazonana olona tsy voatsara mandritra ny fotoana maharitra loatra any am-ponja. Tsy manaja ny zon'olombelona izany, hoy ireto fianakavian'ny kolonely Charles ireto. Toy izany koa ny minisitry ny fahasalamana izay ambaran'izy ireo fa manao tsinontsinona ain'olombelona tamin'ny filazany fa aretina voajanahary no nahazo ny kolonely Charles. Ny dokotera teto an-toerana sy ny tany ivelany mihitsy no nanamafy fa daroka niaro fanapoizinana no nahazo ity kolonely ity, nandritra ny nihazonana azy tany am-ponja, hoy izy ireo. Araka izany dia manameloka tanteraka ny tandrevaka sy ny fiarahana petsapetsa amin'ny vono olona ataon'ny mpiambina ny fonjan'i Tsiafahy sy ireo tsy fanajana ny zon'olombelona ireto fianakaviana ireto. Manaitra ny sain'ny tomponandraikitra, araka izany, izy ireo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.