Politique

Kolonely Charles Manomboka salama


  • Zoma 30 Desambra 2011

Niely indray ny feo teto an-drenivohitra omaly fa namoy ny ainy ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles.

 Mifanohitra amin'izay tanteraka anefa ny zava-misy any La Réunion, toerana itsaboana azy. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana mantsy dia manomboka mihatsara ny fahasalamany amin'izao fotoana izao. Tsy irotorotoana ny fitsaboana, araka ny fantatra, noho ny zava-mahazo an'ity manamboninahitra ity izay tena betsaka loatra. Ny ao anatin'ny kibony no tena voa mafy. Tsy aretina tsotra mpahazo ny olona no mahazo azy fa vokatry ny dona mafy. Ahiana ho voan'ny daroka, araka izany, ity manamboninahitra ity tany am-ponja na tamin’ny fotoana nitondrana azy tany am-ponja. Ireo mpitsabo teratany vahiny dia nilaza fa fanosihosena ny zon'olombelona mihitsy izao nahazo ity manamboninahitra ity izao.

Mahalasa saina ny fianakaviany ihany koa ny zava-nisy, telo herinandro mialoha ny nahitana azy ho reraka be teny am-ponja. Tsy navelan'ireo mpiandry fonja hamangy azy mihitsy mantsy ireo fianakaviany. Na ny rainy izay monina any Manakara ka sendra mandalo teto an-drenivohitra aza dia tsy navela nijery azy. Efa marary kay ny tenany tamin'io. Marary noho io antony fahavoazana lehibe tao anaty kibony io. Anisan'ny antony tsy maintsy handidiana azy fanintelony izany araka ny fantatra tany an-toerana. Miroso miandalana ny fitsaboana ny kly Charles Andrianasoavina.

Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT