Politique

Kolonely Charles Andrianasoavina Marary mafy ao Befelatanana


  • Alarobia 14 Desambra 2011

Navoaka teny Tsiafahy dia nentina haingana teny amin’ny hopitaly Befelatanana ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina omaly.

 Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro mahery teo no nigadona teny amin’io toeram-pitsaboana io ny tenany. Ny antony dia noho ny krizy nataony tao am-ponja. Nihombo ny aretin’ity ofisie ity ary tsy manaiky intsony ny famangian’ireo olona akaiky azy. Olona iray ihany no tadiaviny dia ny olon-tiany izany, hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny fonjan’i Tsiafahy. Ny niafarany dia nanapa-kevitra nitsabo azy teo anivon’ny “infirmèrie” ao amin’ny fonja ny tompon’andraikitra.

Tsy voavaha teo anefa ny olana satria mbola nitohy ihany ny fahavoazan’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina. Nampitaina tamin’ny ministeran’ny fitsarana ny zava-nitranga. Ny tomponandraikitra teo anivon’ny ministera no nanapa-kevitra indray teo nandefa mpitsabo teny Tsiafahy. Rehefa natao ny fizahana ara-pahasalamana an’ity ofisien’ny miaramila ity dia tapaka ny hevitra fa voatery entina aty an-drenivohitra izy mba hotsaboana sy haraha-maso.

Nanomboka omaly no notazomina tao Befelatanana ny Lt-kolonely Charles. Teo ihany dia nohamafisina ny fiambenana azy mba hialana amin’izay mety ho fanararaotan’ny sasany izany. Raha tsiahivina dia nandà hatrany ny famoahana azy tao Tsiafahy, raha fahafahana vonjimaika, ry kolonely Charles Andrianasoavina sy ny namany izay tafiditra tamin’ny raharaha BANI. Efa nisolelaka tamin’izy ireo ny FAT ka nampanantena ny hamoaka azy ny fonja. Nolavin’ny ekipan’ny BANI izany satria tsy mifanaraka amin’ny tondrozotra, hoy izy ireo. Taty aoriana indray dia saika nisy ny fitsarana an’ireo mangingina tany Fianarantsoa. Raha tsy henon’ny fianakaviana izany dia raikitra. Ankehitriny dia tsy mbola fantatra marina izay mety ho fiafaran’ny famonjana an’ny lt-kol Charles sy ny ekipany.

S.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT