Nifoha ny raharaha Kolonely Charles Andrianasoavina. Fantatra izao fa dia mitaky ny hanokafana fanadihadiana amin’ny antony namparary an’ity manamboninahitra miaramila ity tany am-ponjan’i Tsiafahy ny fianakaviany.
Tranga tamin’ny desambra 2010, ary voatery nandefasana an’ity tale niara-nitantana ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) tamin’ny tetezamita ity, nitsabo tena tany La Réunion. Ny 14 janaory 2015 izy no tafaverina teto Madagasikara. Nisy ny fanambarana nataony tamin’ny andro nidinany tany Manakara tanindrazany, nisy ny anaran’olona voatonona tamin’izay, narahina fametrahana fitoriana roa sosona teny amin’ny Fitsarana Anosy, saingy nangina teny ny raharaha. Ankehitriny dia fohazin’ny fianakaviana izany, ka itakian’izy ireo ny hanokafana fanadihadiana mahaleotena hamantarana ny tompon’antoka tamin’ny namparary an’ny kolonely Charles Andrianasoavina any am-ponja, indrindra taorian’ny fivoavan’ny resaka nataona manamboninahitra iray fa « lodsia manta no namparary an’ny kolonely Charles », fanambarana izay lavin’ny fianakaviany marindrano, izy ireo izay manamafy fa daroka miharo fanapoizininana tamin’ny namoahan’ny Kolonely Charles ny tsiambaratelon’ny « raharaha 7 febroary », ary milaza fa manana porofo avy amin’ny dokotera. Milaza ny hiakatra hanao valandresaka amin’ny mpanao gazety eto an-drenivohitra ny fianakavian’ny Kolonely Charles Andrianasoavina hanamafy izany. Tsy eto an-toerana, fa manao fizaham-pahasalamana any La Réunion kosa ity manamboninahitra ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.