Politique

Kolonely Charles Andrianasoavina Hanao fanambarana lehibe mikasika ny raharaha 2009


  • Zoma 07 Septambra 2012

Araka ny loharanom-baovao akaiky ny kolonely Andrianasoavina Charles atsy La Réunion dia manan-kambara ity manamboninahitra avy amin’ny tafika ity.

 «Mampanantena ny Malagasy rehetra aho fa hanao fanambarana lehibe mitantara ny krizy 2009 rehefa mivoaka hopitaly tsy ho ela. Betsaka ny resaka mandeha mikasika ahy ary ninia nangina aho hatramin'izay. Ny zavatra azoko lazaina dia tapitra androany alakamisy 6 septambra 2012 (omaly) ny fe-potoana farany nomen'ny hopitaly aty La Réunion nitsaboana ahy ny fitondrana Malagasy ny amin'ny tokony handoavany ny vola rehetra saran'ny fitsaboana hatramin'izay. Tsy nisy anefa io fandoavana vola io hatramin'izao ora iresahako izao. Ny 30 aogositra teo dia nitsidika ahy taty ny minisitry ny Vola, Hery Rajaonarimampianina ary nilazana io tranga io taminy. Nisy ny tatitra nataony tamin'ny Fiadidiana ny tetezamita. Mamono sofina anefa ireo tompon'andraikitra ao amin'io andrim-panjakana io. Nisy ihany koa ny taratasy tsy very mandeha (lettre recommandée) nalefan'ny hopitaly eto La Réunion any amin'ny minisiteran'ny Fahasalamana izay miahy ny fitsaboana ahy mivantana aty.

Nalefan'ny minisiteran'ny Fahasalamana malagasy any amin'ny Fiadidiana ny tetezamita ihany koa izany saingy mamono sofina hatrany izy ireo. Tsy izay ihany anefa ny zava-misy aty fa nandritra izay fotoana nitsaboana ahy taty izay dia betsaka ireo namana sy tapaka tsy mitsahatra mifandray amiko. Misy amin'ireny ireo mbola ao anatin'ny fitondrana ary tsy vitsy ireo mpanohitra. Mbola nitsabo tena moa aho ka tsy afaka niresaka firy. Hivoaka hopitaly tsy ho ela anefa aho taorian'ny fandidiana ahy tamin'ny herinandro. Hotantaraiko amin'io fanambarana izay hataoko io avokoa ny zava-nitranga teto Madagasikara nanomboka ny nanomanana ny 26 janoary 2009. Ny raharaha 7 febroary teny Ambohitsorohitra, ny 8 martsa 2009 tao amin'ny CAPSAT ary ny 17 martsa 2009 fotoana nametrahana an-dRajoelina teo amin'ny fitondrana. Ampahany ihany ireo fa irariana ny hivoahako soa aman-tsara ny hopitaly ka hitantarako zavatra maro»

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT