Politique

Kolo Roger notendrena Praiminisitra Aloky ny Frantsay


  • Sabotsy 12 Aprily 2014

Voatendry ihany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, rehefa nandrasana nandritra ny roa volana sy 16 andro.

 Ny zoma 11 aprily 2014 no nanapa-kevitra ny filohan’ny Repoblika fa hanendry praiminisitra. I Dr Kolo Christophe Laurent Roger, 67 taona, no nosafidiany tamin’ireo anarana 18 tonga teny am-pelatanany, araka ny didim-panjakana laharana faha 2014 - 200. Tsy nisy fahagagana ny amin’io. Nanolotra an’i Hery Rajaonarimampianina ho kandida filoham-pirenena misolo toerana azy i Kolo Roger niaraka tamin’i Jules Etiennes rehefa nailiky ny CES izy ireo.

Matetika dia i Kolo Roger hatrany no nitarika ny irak’i Hery Rajaonarimampianina tamina lanonana samihafa, taorian’ny nahavitan’ity farany fianianana, toy ny tamin’ny 7 febroary 2014 nanatitra fehezam-boninkazo teny Ambohitsorohitra sy nitondra teny tao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina. Karazana valimbabena ihany, araka izany, ny fanendrena azy ho praiminisitra. Tao anaty fiara, teo amin’ny toby mpaninjara solika Galana Iavoloha izy sy lehilahy “Karana” iray no nanaraka tamin’ny radio ny fanendrena azy ho praiminisitra, fihetsika toa mitory fa fombafomba fotsiny ihany iny natao omaly iny fa efa niantefa taminy ela ny safidy.

Fandaniana andro ny ankoatra izay. Misy loharanom-baovao hafa milaza anefa fa nanao tsindry ny vondrona Karana eto an-toerana, izay mizaka zom-pirenena frantsay mitovy amin’i Kolo Roger ny ankamaroany. Raha izay no izy dia misy aloka frantsay izany ilay fanendrena, na nanda mafy izany aza ny filoha ka nilaza fa nalalaka izy, firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. Antoko 12 (PATRAM, VPM-MMM, PSD, Leader Fanilo, Harena, ADHEM FIZAFA, MTS, FFF, Zanak'i Dada, MDM, Antoko Maitso, Les AS) ary solombavambahoaka 93 no voalaza fa nanolotra an’ity zanak’i Menabe ity ho praiminisitra.

Miandry an’i Kolo Roger  ny fametrahana fitoniana politika, ny fampihavanam-pirenena, ny famoahana ireo gadra politika, ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT, ady amin’ny fanondranana andramena, asan-dahalo, fampianarana, fahasalamana, ady amin’ny kolikoly, valala, ady tany, olan’ny oniversite … Hanao “miracle” ary ve i Kolo Roger ? Andrasana amin’ny herinandro ny fitsanganan’ny governemanta tarihiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT