Politique

Kolo Roger Hametra-pialana sahady ?


  • Alarobia 11 Jona 2014

Mivoaka sempotra ny praiminisitra Kolo Roger. Manomboka mamatotra azy ny fampanantenana be nataony teo anoloan’ny solombavambahoaka tamin’ny 10 mey, raha tonga namelabelatra ny Politika ankapoben’ny fanjakana, hotanterahan’ny governemanta tantanany ny tenany.

 Ampahany amin’ireny ny hanatrarana ny fitombon’ny harinkarena faobe ho 7% amin’ity taona ity. Be famaritra te hanao fahagagana i Kolo Roger nefa firenena vao avy nivoaka krizy lalina i Madagasikara. Amin’ny fomba ahoana no hanatrarana io tanjona io ? Misasaka ihany mantsy ity ny taona nefa hatramin’izao aza tsy voahitsy ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hiasana ho an’ny taona 2014. Etsy an-kilany anefa manomboka manao ranolava ny fitakiana samihafa. Eo ny mpampianatra FRAM mitaky ny handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana sady mitaky ny handoavana ny tambinkaraman’izy ireo, ny olan’ny oniversite amin’ny vatsim-pianarana sy ny volan’ny mpampianatra mpikaroka. Ny resaka ady tany tsy mety voavaha. Mirongatra ny asan-jiolahy miharo vono olona mahatsiravina, sy ny trafikan’ny harem-pirenena. Etsy an-daniny dia manery ny governemanta ny solombavambahoaka hanome izay tombontsoa tadiavin’izy ireo. May volon-tratra ny praiminisitra, izay manenjika bitro roa satria mbola misahana ny minisiteran’ny fahasalamana ihany koa izy, ny taonany anefa efa zokinjokiny ihany ka ao anatin’izany safotofoto izany no nivoahan’ny resaka fa mitady hitsoa-pahana ingahy praiminisitra fa ireo lohandohany eo anivon’ny HVM no mitazona azy. Mandrapahoviana no hiaretany izany, nefa tsy mbola ampy roa volana akory izao no naha tao Mahazoarivo azy ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT