Manolona ny resaka miely fa hesorin’ny CES vaovao tsy ho afaka hilatsaka tahaka ireo kandida telo i Kolo Roger dia nijoro niaro azy ny rahalahiny, ny Loholona teo aloha Kolo Roland. Nambarany fa tsy feno ny lalàna milaza fa mila monina eto Madagasikara 6 volana mialoha ny fametrahana ny taratasy filatsahan-ko fidiana ny kandida. “Mitohy enim-bolana ve io sa mitapaka”, hoy izy. Efa tamin’ny volana septambra 2012 mantsy no niverina nanori-ponenana teto Madagasikara ny Dr Kolo Roger izany hoe : feno 8 volana ny nijanonany teto. “Tao Avaradrova Morondava izy no nonina ary voamarina ao amin’ny tararatsim-panamarinam-ponenany izany. Vonona hijoro vavolombelona koa ny sefo Fokontany ao Avaradrova raha ilaina”, araka ny fanazavan’ity Olobe avy any Menabe ity ihany. “Mandry ny eritreritray momba ny fahafahany mirotsaka” hoy izy namanarana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.