Politique

Kolikoly, fanamparam-pahefana … Mangatsiatsiaka ilay depiote Mapar


  • Alarobia 11 Jona 2014


 Nihemotra indray ! Raha tokony ho natao omaly talata 10 jona ny raharaham-pitsarana ilay depiote Mapar iray voampanga ho nanao fanamparam-pahefana, fisandohana andraikitra, fanaovana kolikoly sy hosoka tamin’ny raharaham-barotra dia nihemotra ho amin’ny 09 jolay indray izany. Fihemorana fanin’efany io ! Efa tokony higadra roa taona an-tranomaizina, sazy mihatra ity depiote ity raha ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny 25 novambra 2013, tao anatin’ny fampielezan-kevitra indrindra. Nampakatra ny raharaha tamin’ny fitsarana ambony anefa izy. Efa in-telo nahemotra ny raharaham-pitsarana, tamin’ny 8 aprily, ny13 mey teo ary ny 10 jona dia io nilaza io indray ny Fitsarana ambony omaly fa mihemotra ho amin’ny 09 jolay 2014 indray ny raharaham-pitsarana sy ny didy, fa hoe misy olona roa tsy nahazo fampiantsoana (?). Mandra-piandry izany dia manohy ny asa aman-draharahany tsy amin’ahiahy eny amin’ny Antenimieram-pirenena ity olomboafidy ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT