Ho fantatra amin’ny 10 jona izao ny hoavy politikan’ilay depiote Mapar iray voampanga ho nanao fanamparam-pahefana, fisandohana andraikitra, fanaovana kolikoly sy hosoka tamin’ny raharaham-barotra.
Efa tokony higadra roa taona an-tranomaizina, sazy mihatra ity depiote ity raha ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny 25 novambra 2013 tao anatin’ny fampielezan-kevitra indrindra. Nampakatra ny raharaha tamin’ny fitsarana ambony izy. In-droa nahemotra ny raharaham-pitsarana tamin’ny 8 aprily sy ny 13 mey teo, dia io nilaza io ny fitsarana fa mihemotra ho amin’ny 10 jona 2014 ny raharaham-pitsarana sy ny didy. Mandra-piandry izany dia manohy ny asa aman-draharahany eny amin’ny Antenimieram-pirenena ity olomboafidy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.