Politique

Kolikoly ataon’ireo tandapa eny Iavoloha Efa manadihady ny BIANCO


  • Sabotsy 28 Mey 2016

Mahaleotena ny «Bureau Indépendant Anti-Corruption» eto Madagasikara, hoy ny tale jeneraliny Andriamifidy Jean Louis.

 

 Malemy anefa ny rafitra manoloana ireo olona manampahaizana sy tompon’ny fahefana mpanao kolikoly eto amin’ny firenena Malagasy. Paikady hiatrehan’ireo mihevitra ny tenany ho tsy maty manota eny anivon’ny fiarahamonina moa ny fiomanana amin’ny zavatra mety hitranga rehetra toy ny famafana ireo porofo samihafa ahafahana manenjika azy ireo, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Bianco. Soso-kevitra avy amin’ity rafitra mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly ity ny fananganana ilay antsoina hoe «Pôle Anti-Corruption» ao anatin’ny sehatry ny fitsarana sy ny «cellule Anti-Corruption» ho an’ny tontolom-panjakana amin’ny ankapobeny.

Jirama, boaderozy, malety, tandapa

Nanao fanadihadiana maro ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) tamin’iny taona 2015 nivalona iny, hoy ny tale jeneraliny Andriamifidy Jean Louis. Anisan’izany ny mikasika ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy. Raharaha 6 amin’ny 13 nosahanina no efa natolotra ny fitsarana. 6 kosa ny afera boaderozy hanaovan’ny Bianco fanadihadiana ka iray amin’ireny nahavoarohirohy an’i Bekasy teny amin’ny fitsarana. Mbola mitohy rahateo ny fandalinana eto Antananarivo sy Toamasina. Andrasana kosa ankehitriny ny fanomezan-dalana avy amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena momba ny raharaha «malety» eny amin’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity. Efa mandeha ihany koa ny famotorana vokatry ny fitorian’ny Afo sendikaly mikasika ireo tandapa akaikin’ny filohan’ny Repoblika, araka ny fanamarihan’ny lehiben’ny Bianco. Raharaha izay tena miteraka resa-be tokoa eto amin’ny firenena satria araka ny fitarainana maro samihafa dia tena manao didin’ny be sandry sy manao izay tiany amin’ny sehatr’asa maro ireto olona akaikin’ny filoham-pirenena ireto ary anarana mpanolotsaina manokan-dRajaonarimampianina telo, vehivavy roa sy lehilahy iray no tena voatonontonona matetika amina afera maizina  

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT