Nodinihina nandritra ny atrikasa tetsy amin’ny hotel Colbert Antaninarenina omaly ny mahakasika ny soatoavina politika sy ny ady amin’ny kolikoly mba hanamafisana orina ny demokrasia any anatin’ireo antoko politika sy hahatonga ny olom-pirenena hahatoky kokoa azy ireo.
Malaza ratsy amin’ny fitiavam-bola sy ny fanaovana kolikoly ny mpanao politika eto Madagasikara, ka mahatonga ny olona tena ho leo politika. Tsy maintsy mila mpanao politika anefa ny firenena iray, saingy mpanao politika miasa tokoa ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena ary tsy maintsy manana fitondran-tena maodely eo amin’ny fiarahamonina. Ireo lehiben’antoko moa no nifanakalo hevitra nandritra ity dinika teny amin’ny Colbert ity izay nokarakarain’ny PNUD sy ny Friedrich-Ebert-Stiftung. Anisan’ny tonga teny an-toerana ny filoha nasionalin’ny TIM Atoa Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy toa an’i Roland Ravatomanga sy Olivier Donnat Andriamahefamparany. Anisan’ny antoko manaja ny soatoavina amin’ny fanaovana politika ny Tiako i Madagasikara. Tsy manana olana ihany koa amin’ny hametrahana lalàna mazava mifehy ny antoko politika sy mandamina ny famatsiambolan’ny antoko politika. Atao ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra kosa anefa izany fa tsy resaka teny midina be fotsiny. Antoko 24 amin’ireo 180 misy eto Madagasikara no nandefa solontena teny Antaninarenina omaly ka anisan’izany ny TIM an’i Marc Ravalomanana, HVM tamin’ny alalan’i Rivo Rakotovao, ny Mapar notarihan’i Christine Razanamahasoa, ny PSD an’i Eliane Bezaza, ny UNDD notarihan’i Emmanuel Rakotovahiny sy ny AREMA nosoloin’i Annick Ratsiraka tena. Adidin’nygovernemanta sy ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny politika ny mikaroka vahaolana hamahana izao olana ara-tsosialy izao mba hisorohana ny fahasosorana izay mety hiteraka korontana sy savorovoro, hoy Rtoa Kakyomya lehiben’ny PNUD nandritra ny lahateniny omaly.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.