Politique

Kolikolin’i Claudine A&C Sahirana ny Bianco


  • Talata 29 Novambra 2016

Mbola voatana hanaovana fanadihadiana eny amin’ny foiben’ny birao mahaleotena momba ny kolikoly na ny Bianco eny Ambohibao amin’izao fotoana izao, ny ben’ny tanŕnan’ny kaominin’Ambohimahamasina, Tsabo Pierre, raha ny vaovao farany.

 

 Tohin’ilay resaka tetikasa fanamboarana biraon’ny kaominina vaovao tany Ambohimahamasina izay nahatonga resabe fa azon’ny iray amin’ireo mpanolotsain’ny filoham-pirenena Rtoa Claudine Razaimamonjy  tompon’ny hotely sady trano filanonana lehibe A&C eny Ivato ny tsenan’izy ity ny taona 2014 no anton’ny fanadihadiana. Efa nisy fotoana nijery akaiky azy io ny Inspection Générale de l’Etat (IGE). Noho ny fiahiahiana tamin’ny tsy fahadiovan’ny vola mihodina hanatontosana io tetikasa io dia efa nisy ny fitoriana napetraky ny avy eo anivon’ilay vondrona politika dinika fanavotam-pirenena na DFP teo anivon’ny Bianco tamin’izany andro saingy tsy nisy tohiny. Ankehitriny anefa dia nofohazina indray io raharaha io ary ankoatra ny fitazonana ny ben’ny tanàna dia fantatra izao fa efa nisy ihany koa ny fiantsoana ity mpanolotsain’ny filoha ity saingy tsy namaly ny antso nataon’ny Bianco ny tenany hatry ny omaly noho ny antony voalaza fa mbola sahirana tamin’ny frankofonia. Tsiliam-baovao no nahenoana fa efa nisy fidirana an-tsehatry ny iray tamin’ireo loholona HVM akaiky ny filoha tamin’ity raharaha ity saingy nolavin’ny Bianco. Na izany aza anefa dia hita ho sahirana ihany ity birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ity satria nilaza ny tompon’andraikitra iray fa tsy mbola afaka milaza zavatra betsaka aloha mikasika ny tohin’ny raharaha izy ireo.

Mirija  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT