Mitombina tokoa ve fa mena ambanin’ny mena ny Bianco sy ny fitsarana fa ny ao an-dapa ihany no tompon’ny teny farany ?
Tsy nisy tohiny intsony ny raharaha kolikoly nahavoarohirohy an’i Claudine Razaimamonjy fa niniana nampanginina. Volam-panjakana mahatratra 396 tapitrisa ariary be izao anefa no nanjavona. Mitaky ny hisian’ny mangarahara eto Madagasikara ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary manery mafy ny fanjakana hiady amin’ny kolikoly.
Tafiditra afovoany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina satria namana akaiky sady mpanolotsain’ny tena no voarohirohy, kanefa ny mpamatsy vola tsy maintsy arahina ny baikony raha tsy izany tsy azo ny volabe. Efa maro ihany ireo tandapa malaza ratsy amina afera maizina saingy inoana fa niaro azy ireo ny filoha matoa tsy mbola nisy nosaziana. I Bekasy aza moa efa voasambotra noho ny raharaha boaderozy kanefa nampandosirina. Mety hitsimbadika kosa ny rasa aoriana, indrindra amin’ity raharahan’i Claudine Razaimamonjy ity satria tsy afaka ny hanao mody adala amin’ny tokony hanenjehana ireo mpanao kolikoly avo lenta efa fanta-poko fanta-pirenena intsony ny fanjakana noho ny fiandrandrana ilay volabe 10,2 miliara dolara. Maro ireo herivelona sy firaisamonim-pirenena mitaky ny mangarahara sy ny tokony hanenjehana ity Ramatoa malaza amin’ny fampitenenana ny harena sy ny volany ity satria tany tan-dalàna i Madagasikara, ka tokony hiharan’ny lalàna avokoa izay manao ny tsy mety. Miala sasatra ny fitsarana amin’izao ary tsy hiverina hiasa raha tsy aorian’ny 15 janoary 2017, ka inoana ny hitohizan’ity tantara ity aorian’izay raha tena masi-mandidy sy tsy voabaikon’ny mpitondra ny Bianco sy ny fitsarana.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.