Politique

Kohen Rivolala Hitsapa safidim-bahoaka


  • Alakamisy 07 Septambra 2017

Hirotsaka hofidiana filoham-pirenena amin’ny 2018 i Kohen Rivolala, raha ny nambarany tao amin’ny TOP Radio FM 102.8 omaly talata 5 septrambra 2017.

 

Tao amin’io onjam-peo io ihany koa anefa i Kohen Rivolala no niteny ny alahady 2 jolay 2017 fa miandry ny faminaniany ny volana novambra no hanambarany ny mety ho firotsahan-kofidiany. Lasa aloha sa hanao tsapa vintana ve ity mpanorina ny fivavahana Hebraika Judaisme eto Madagasikara sady mpitsabo amin’ny alalan’ny fomba ara-kabalistika « ctic ctac do » ity ?  Nambarany mantsy fa mila miverina amin’ny fombany ny Malagasy raha te handroso i Madagasikara satria ny firenena tsy manaja ny fombany dia very zo. Tsy nihambahamba i Kohen Rivolala niteny fa “tsy voafidy intsony ny mpitondra amin’izao” raha mbola hirotsaka, satria efa fanta-bahoaka fa “tsy mahavaha olana”. Manahy anefa izy sao hitarin’ny mpitondra hatrany amin’ny taona 2020 ny fitondrana, nefa tena ilaina ny hisian’ny fifidianana, hanafaingana ny vahaolana homena ny Malagasy. Tsy miankina amin’ny mpitondra mahay sy tsy mahay fa mila ny tontolon’ny fanahy fa raha fahaizana ambony latabatra fotsiny tsy tafavoaka i Madagasikara.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT