Raha tsy mitsangana ny Tabernakely na Tempoly na Seza fiandrianan’Andriamanitra ka ho tafaverina ao anatin’izany koa ny fivavahana fisoronana ary hivoaka avy ao anatin’ny Trano fisoronana ny feon’Andriamanitra hibaiko ny firenena dia tsy hivaha izany ny olan’ny Malagasy na hatramin’ny taona 2045 aza, hoy ny Kohen Rivo Lala Andriatina omaly tetsy amin’ny Motel Anosy raha nampiseho ny endrik’io Taberanakely io. Eny Ambohijanahary moa no toerana nambarany fa hananganana azy io saingy miankina amin’ny fahazoana ny fitondrana no mahamora ny fahazoan-dalana amin’ny fanatanterahana azy.
Lalan-tokana ihany no afahana miroso amin’ny fampandrosoana, hoy ny Kohen Rivo Lala, dia ny fiverenana amin’ny maha-Hebreo antsika. 53 taona izay no niainantsika tamin’ny rafitra demokratika sy repoblikana fa mbola tsy nitondra n’inona n’inona ho antsika izany rafitra vazaha izany noho ny maha-taranaka Hebreo antsika. Tsy mifampatoky intsony ny olona, mifandatsa-drà mihitsy aza satria rafitra satanika no iainana eto MADINA GADA SAKARA (Fonenan’ny Tendrombohitra Masina 12).
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.